Pages


Samy maniry fiainana tsara ny rehetra. Ny rehetra dia manofy hanatanteraka ny tanjony eo anivon’ny fianakaviany, ny asany sy ny fiainany arak’asa. Nefa tsy ny olona rehetra no tonga saina fa ny sorona no mampifandray ny nofy sy ny hahatanteraka azy. 




Andao anie ho jerena :

·       Ireo izay te hanambady dia mila manao sorona ny fiainany amin’ny maha-mpitovo azy.

·       Ireo izay te hihena dia mila manao sorona mitaiza vatana sy tsy mihinana ny zavatra rehetra izay tiany hohanina.

·       Ireo izay te hahana karama amin’ny faran’ny volana dia mila manao sorona 8 ka hatramin’ny 12 ora isan’andro ho an’ny asany.

·       Ireo izay te hanao fianarana ambony dia mila manao sorona taona maromaro hianarana.

·       Ireo izay te hanana fiainana vaovao dia mila manao sorona ny fiainany taloha.



Toy ny lazain’ny ohabolana hoe: Ny famaritana ny adalana dia ny manao zavatra mitovy harany hatrany ne fa manatena valiny hafa.


Eo no misy ny fahasamihafana amin’ireo izay manatanteraka ny nofinofiny, fiainana tsara sy ireo izay maniry izany fotsiny, nefa tsy andoa ny sarany. Ity farany mantsy dia mieritreritra fa ny sorona dia safidy, nefa raha ny marina dia fepetra ilaina amin’ny fanataterahana ny rehetra izany.

Jereo ity andian-teny ao amin’ny Baiboly ity: Hatramin'izany no vao natoron'i Jesosy ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijalin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina, ary hatsangana amin'ny andro fahatelo. Ary Petera nanohina Azy hitanila kely ka niteny mafy Azy hoe: Sanatria aminao izany, Tompoko! Tsy ho aminao tokoa izany! Fa Izy nihodina ka niteny tamin'i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko hianao, satria tsy misaina izay an' Andriamanitra hianao, fa izay an'ny olona.

I Jesosy Tompo mihitsy no naneho fa ilaina ny manao sorona mba hanoherana ny fahavalo lehibe indrindra ny olombelona – ny fahafatesana.

Hebreo 10:1 dia milaza hoe: fa tsy ny tena endrik'izany zavatra izany, dia tsy mba mahatanteraka ny olona manatona amin'izay fanatitra ateriny mandrakariva isan-taona.
Ny fihetsika mitovy dia tsy afaka miteraka afa tsy vokatra mitovy ihany. Raha te hiova ianao, manomboha manao zavatra hafa.

   > retour aux messages