Pages

Iza no hiheveranao ny TENANAO mba hihainoan'ANDRIAMANITRA anao?


Iza moa ianao eo anivon’ny olombelona aman-lavitrisany? Nahoana moa no tokony omen’ny olona lanjany ianao na koa hoe mahasarika ny fijeriny? Nahoana moa no tokony hanao izany Andriamanitra? Olona aman’arivony no manao vavaka isa-minitra. Nahoana moa ny anao no tokony ho henoina?
Manintona ny fijerin’ny hafa. Voamarika. Nahazo valim-bavaka.  Maniry izany avokoa isika rehetra saingy tsy mora izany.
Ny vaovao mahafaly dia ny ohatra izay hananantsika manoloantsika, ao anatin’ny vatantsika, ny fomba fiasan’izany.
Ny vatan’olombelona dia feno ampahany samihafa na kely, na lehibe – maso, tongotra, hoho, nify, hoditra, volo sns. Miaraka amin’izany zavatra maro miasa miaraka izany, ao anatin’na ampahany aman’arivony, ahoana no ahafahan’ny iray manintona ny fijery? Raha misy ampahan’ny vatanao mila manintona ny fijerin’ny lohanao, inona no tokony ataony mba ho voamarika?
Ny fomba haingana indrindra dia ny fanaintainana.
Ny fanaintainana dia ny hafatra alefan’ny vatanao mankany amin’ny lohanao mba hanintona ny fijeriny. « Misy zavatra tsy mety ao, tsaratsara kokoa ny mijery izany. »

Na dia kely aza izany ampahan’ny vatanao izany ary mety hoe tsy misy dikany – rehefa mahatsapa marary ianao dia miampita mivantana any amin’ny lohanao ny hafatra. Mila porofon’izany ianao ? Sintomy ny iray amin’ny volon-doha na volon-tananao. Inona moa no maha-zava-dehibe an’iny volon-doha na volon-tananao iny mihaotra noho ny hafa ? Tsy misy. Nefa, rehefa nesorinao izy, ilay fanaintainana re dia mandefa hafatra any amin’ny lohanao ka manintona ny fijeriny.
Dia toy izay ihany, ianao dia olona iray ao anatin’ny olona aman-lavitrisany, nefa rehefa miasa amin’ny finoana ao amin’i Jesosy ianao, dia lasa ampahany amin’ny Vatany, ka Izy no lohany. Izany dia efa zava-dehibe, fa tsy izay no dingana voalohany hisintomana ny fijeriny. Mbola mitohy ho iray ao anatin’ny maro ianao.
Ka, izaho ianao efa ampahan’ny Vatana, ka miray mivantana amin’ny Loha ianao. Raha mila misintona ny fijerin’ny Loha ianao, dia fantatrao izay tokony ataonao. Tokony mandefa fambara ianao. Izany fambara izany dia ilay fanaintainana, izay antsointsika hoe sorona – izay no ataonao noho ny finoanao ka miteraka fanaintaianana ho anao.
Ny finoana tsy misy sorona, finoana tsy mampiditra anao anaty kizo, finoana izay tsy mitondra fanaintainana ho  anao dia maty. Raha misy ampahany amin’ny vatanao, maty na koa hoe matory, tsy mahatsapa fanaintainana intsony ianao, dia tsy ilaina intsony izany. Afaka ratrainao izy, nefa tsy handefa hafatra any amin’ny lohanao. Toy izay ny finoana tsy misy sorona – tsy miteny na inona na inona izy, tsy manana na inona na inona, tsy midika na inona na inona, tsy mitondra na inona na inona.
Ny fifadian-kanina, ny vavaka, ny fahafolon-karena, ny hoe manampy ny hafa, ny fandavan-tena, ny fahatoniam-po,ny fihetsika feno herim-po na koa ny fahasahiana manome mihaotra, ambonin’ny asa maha-kristianina, dia tsy inona akory afa-tsy fomba fanehoana sorona. Tsy tian’ny maha-izy antsika sy ny sitra-pontsika amin’ny mahaolombelona mora mionona antsika ireny, fa raha mila valiny maika avy amin’Andriamanitra isika, na iza na iza isika – dia tokony mandefa ny fambara tsara.
Ny zavatra ataonao no manambara hoe iza ianao ary raha mendrika ny hanintona ny fijeriny ianao na tsia.
PS: Ah, izany fomba fanao izany dia tsy mba hisintomana ny fomba fijerin’Andriamanitra ihany, fa ho an’ireo olona manan-danja ho anao ihany koa.