Pages

Une Vision


Mety efa hitanao fa ny zavatra rehetra dia manomboka amin’ny fahitana iray. Andeha ahatakatra ny fomba ahazoana izany fahitana izany isika ho an’ny fiainantsika. Fotoana izao ampiharana ireo fahalalana. Noho izany ary, andaho hiasa, na marimarina kokoa, andeha hampiasa penina sy taratasy. 


1. Mivavaha am-pahatsorana amin’Andriamanitra ary mangataha Aminy ny mba hanokatra ny fisainanao, hitarika ny eritreritrao, ary hanampy anao hamokatra fijery ho an’ny fiainanao. 
2. Manomboha manoratra amin’ny taratasy ny zavatra rehetra izay tianao ahatongavana / tianao hatao / tianao hananana eo amin’ny fiainanao.
3. Aza ferana ny isan’ny zavatra soratanao. Avelao hikoriana ny fanirianao. Satria tena tianao tokoa izany ka raha manana finoana na dia kely aza ianao sy fanantenana fa hitranga izany indray andro, dia soraty eo amin’ny taratasy izany.
4. Manorata zavatra mikasika ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainanao : fianakaviana, ara-pitiavana, ara-panahy, fanabeazana, ara-pahasalamana sy toe-batana, asa aman-draharaha.
Noho izany dia tehirizo ity lisitra ity dia ho tohizantsika ao anatin’ny lahatsoratra manaraka izany. Raha azo atao, dia ataovy dieny izao izany satria mbola mazava tsara ao an-tsainao. Mety hila eo amin’ny 20 minitra eo eo ianao, ary tsy an-kanapaka. Ataovy e, sy mba mila fahitana ho an’ny fiainanao ianao ? Noho izany aza manome fialan-tsiny. Raha tsy afaka manasaraka 20 minitra ianao izao, dia jereo ny « calendrier »-nao ary mangalà fotoana aminao ihany mba hanao izany. Ary aza ajanona indray izany fivoriana izany.